Rangompo Lyrics


Oay’ndray, ty fiainana, mivadibadika ambony sy ambany

Reto olo, marobe, mivezivezy avy any mankany

Ts’it’itsony’zay marina, samy mizotra amin'ny lalan-kombany

...mba ho tonga amin'ny le tanjona

...mba ho tonga amin'ny le tanjona

Ny tanjona moa dia hikatsaka hatrany, ny ampiakatra azy amin'ny toerana avo

Ts’inona zany f’ireo ho avinao, iankinan’ny faramadimby rahatrizay

Sarotra anefa ny lalana aleha, ka mety ho tojo sampanana koa

Ianao amin'ny zay no tompn-tsafidy, eo no ahitana  ny ratsy sy tsara

Mahereza ranamana, tsy ianao no iangarana

Aza atao ny milefa, mbola hitsiky’lay vintana

Ny hafa mety anadala, mila anao mba ho tony

Amin'ny rehetra atao... maheraza ianao

Mananjara ianao, raha matanty kiana, latsa tsikera

...ataovy ambony ny saina

Ny hafa mety anadala, mila anao mba ho tony

Amin'ny rehetra atao... dia ho lafatra ianao

Ny hamantarana ny hasambarana, zay mety, ho tonga aminao, aza kivy

Dia ireo zava-bita nataonao omaly, ts’inon’izany f’izay tsara ihany, tohizo; alaviro, ialao... ny ratsy

Mba ho tonga amin'ny le tanjona, mahereza ianao

Dia ireo zava-bita nataonao omaly, ts’inon’izany f’izay tsara ihany, tohizo; alaviro, ialao... ny ratsy