Nisinisy ihany, ’zay niainana izay Tsarovy nefa, fa mbola mideza ny lalana Ra fahorina, fijalina no nifandimby hatrizay Dia mbola manantena fahombiazana Mbola ho lavitra ny aleha, mbola be ny antenaina Tsy maitsy manantena ram bola velon’aina Ahita sy ihinana, ny nandatsahan’atsemboana Hifaly sy iriary, ho lavitr’ireo zay mety hatafitohina Anatr’atsipy hoan’izay mila azy ity Aza milavo lefona, fa mijoro mba ho pandresy Tsy asina sira any fankahalana,sy ireo tsy tia Foazo ‘lay fanantenana, fa mbola ho lavitra ny dia Nifamezivezy ny fakam-panahy, olana samihafa Nanavesatra ny fiainana, efa mila tsy ho zaka Mbola be ny antenaina, ka tsy hamoy fo Tsy manaiky resy f’zany dia sedra-piainana avokoa Anatr’atsipy hoan’izay mila azy ity Aza milavo lefona, fa mijoro mba ho pandresy Tsy asina sira any fankahalana sy ireo tsy tia Foazo ‘lay fanantenana, fa mbola ho lavitra ny dia Anatr’atsipy hoan’izay mila azy zao Aza milavo lefona, fa mijoro’fa handresy ianao Tsy kivy tsy akory, ra tsy nety ny natao Manantenà atrany dia ho lavorary zay kasainao Nisinisy ihany, ’zay niainana izay Tsarovy nefa, fa mbola mideza ny lalana Ra fahorina, fijalina no nifandimby hatrizay Dia mbola manantena fahombiazana Mbola ho lavitra ny aleha, mbola be ny antenaina Tsy maitsy manantena ram bola velon’aina Ahita sy ihinana, ny nandatsahan’atsemboana Hifaly sy iriary, ho lavitr’ireo zay mety hatafitohina Aza avela ho lefy, lay fanantenana Ra te-ahita, ’lay hazavana Mitsangàna fa ny ady, tsy ho tony Fa any andro, irotsaka ‘lay màna avy any ambony.