Anho Avy Lyrics


Ny fiainantsika gidragidra, tsy azo asiana latsalatsa

Ahoana moa no mampanjak’izany !

Ahoana moa no mankato izany !

Tsisy fetra, na sakana, na koa oe fefy, makam’izany

Ity ianao, mandeha mizotra mila hamingana ny hafa

Hitsio’ty dia, tsikerakera ataon’ny hafa

Hodio tsy ré, f’ianao ahita ao afara

Raiso ao am-po ireo anatry ny hafa

Mbola mandin-tany ianao

Anatra anie no ambaran’ireny, tsikera natao mba hampivaotra anao,

misy amin'ny zany  manenjika ihany, tsindry hazolena ataon’ny hafa,

natao, mba hampivaotra anao

Lalan’iraisana anie ny ety,

Ts’ika tsy maintsy ho lavo