Tempoly mainty iray zay miery anaty zavona Fonenan’ny aloka efa may, sy fisoronan’ireo voaozona Ao no monina ireo maty, sy ireo fahavalon’ny hazavana Ampian’ireo fanahy ratsy, sy ny miaramilan’ny satana Rehefa misasaka ny alina, ka mandrakotra ny tany, ‘Lay lamba mainty matsiravina, dia indro atombony ny sorona Ka alatsany ny ra eo ambonin’ny alitara Ary dorany ny fanahy, mba iantsona an’i satanah Dia manako tsy akijanona, ny vavak’izy ireo Ka raha enoina sy tazanina, dia miantso anao ‘lay feo Tsy aiza nefa izany, ary tsy lavitra anao F’ity tenako ihany, no indro tantaraiko Hatramin’ny nisaloran’ny fanahiko ‘Lay lamba mainty, mihoson-drà Dia lasa miendrika tempoly Tempoly iray, mitelina fanahy Ka miomàna ianao anio, fa hoavy aho ao anaty nofy Nef’ity no tadidio, sanatry aho ny handrotsirotsy Fa ny fanahinao no ilaiko, hoentiko hampijalina Any anaty ny lavaky ny aizina Fonenan’ny habibina Dia manako tsy akijanona, ny vavak’izy ireo Ka raha enoina sy tazanina, dia miantso anao ‘lay feo Tsy aiza nefa izany, ary tsy lavitra anao F’ity tenako ihany, no indro tantaraiko Hatramin’ny nisaloran’ny fanahiko ‘Lay lamba mainty, mihoson-drà Dia lasa miendrika tempoly Tempoly iray, mitelina fanahy Ka mandoaliha ianao ry velona Asandrato mafy, ny tomany Fa ny fanahinao ho levona Eto antanako ihany Dia manako tsy akijanona, ny vavak’izy ireo Ka raha enoina sy tazanina, dia miantso anao ‘lay feo Tsy aiza nefa izany, ary tsy lavitra anao F’ity tenako ihany, no indro tantaraiko Hatramin’ny nisaloran’ny fanahiko ‘Lay lamba mainty, mihoson-drà Dia lasa miendrika tempoly Tempoly iray, mitelina fanahy